Minisitry ny Fitsarana : “Tsy mpanao hetraketraka ny fitondrana”

Manao serasera mafy ny minisiteran’ny Fitsarana, ankehitriny, manoloana ny vaovao miely mahakasika ny gadra politika. Misy ny fidinana ifotony sy fanodinana horontsary ataony amin’izany.

“Manamafy izahay fa tsy mpanao hetraketraka ny fitondrana misy anay, ary tsy miezaka ny hamono olona ihany koa”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety, nitsidika ny fonjaben’i Tsiafahy, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Ny rariny sy ny hitsiny ihany no ijoroana ary ny fampiharana ny lalàna. Atao izay hanafaingana ny fitsarana, fa misy pitsopitsony tsy maintsy arahina, mba hahafahan’ireo voatana mitondra tsara ny fiarovan-tenany.
“Nijery ny fomba itazonana an’ireo voafonja izahay, in­drindra ireo voafonja amin’ny raharaha saro-pady izay voatana eny noho ny famotorana atao azy ireo”, hoy izy. Na miezaka mampihatra ny lalàna sy mitady ny rariny aza ny eo anivon’ny minisitera sy ny fitsarana amin’izany, miezaka mitandro ny maha olombelona an’ireo voafonja ihany koa. Izay no mahasarotiny an-dry zareo ny fomba itazonana ny voafonja, tsy anekena ny fanitsakitsahana ny zon’izy ireo. Re amin’ny tambajotran-tserasera fa misy voafonja marary, misy ny voalaza fa misy nanampoizina…. Tonga ry zareo nanamarina, raha misy tokoa izany. Misy ny voafonja voalaza fa nisy nanampoizina, Rabetsaroana Sylvain. Nanamafy izy fa tsy misy an’izany, ary misy ny faharariana izay mety mahazo azy: kohoka noho ny hatsiaka, miakatra ny tosidra noho ny fiasana saina… Misy ny voafonja mila fitsaboana, eken’ny minisitera hatrany ny fangatahan’izy ireo hivoaka, hahazo fitsaboana any amin’ny toeram-pitsaboana isan-karazany, ivelany, raha ilaina izany. Mifampitohy amin’izay, tsy marina ny filazana fa tsy eto an-toerana intsony ny minisitry ny Fitaterana teo aloha, Ramonjavelo Valéry, voatana eny amin’ny fonjan’Avara­drano. Tsy marina koa ny hoe nanome vola ny minisitry ny Fitsarana izy.

R. Nd.

Partager sur: