FANTINA sy FINTINA

Nandray anjara tamin’ny filankevitry ny minisitra faha-40, nataon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) tatsy Moroni, Kaomoro, omaly, i Madagasikara. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Anisan’ny nodinihina tamin’izany ny fiarovana an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fandriampahalemana ara-tsakafo.

Taorian’ny diany tany Librevilla, Gabon, nanohy ny diany nihazo an’i Abuja, renivohitr’i Nizeria, amin’ny fitsidihana ofisialy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michël. Miaraka aminy, amin’izany, ny mpanolotsaina avo, ny kolonely Rampa­narivo Thierry. Teo koa ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Rabearimanga Radonirina Lucas. Zava-dehibe amin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Mangataka ny hisian’ny hery velona rehetra ho mpikambana ao amin’ny komity teknika mikarakara ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, araka ny nambaran’ny Dr Razafindrakoto Harison. Tokony ho ny fitondram-panjakana koa no hiantsoroka ny fanatontosana izany, satria raharaham-panjakana no hatao amin’ny fanavaozana ho amin’ny Repoblika V.

Partager sur: