Nisoloky tamin’ny Cash point: Vehivavy iray nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ilay vehivavy nisoloky vola roa tapitrisa Ariary tamin’ny Cash point iray tetsy Ambohipo, ny herinandro lasa teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana tetsy Anosy. Tra-tehaky ny polisy teo am-pisolokiana vola tamina Cash point iray teny Ambohipo izy ny alarobia 03 jona 2026, tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro. Nangataka handefa vola mitotaly 2 550 000 Ar tamin’ny finday miisa roa izy. Nampiandry fotoana kely handoavany ny vola tamin’ilay tompon’ny Cash point anefa taorian’izay. Nampandre ny polisy avy hatrany ny lasibatra nandritra izany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy izy ireo vantany vao nahazo antso. Tsy nisy vola tany amin’io vehivavy nandefa vola io nandritra ny fisavan’ny polisy azy teny an-toerana. Nosamborina izy ary nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria. Natolotra ny fampanoavana taorian’ny famotorana ka izao naiditra vonjimaika am-ponja izao. Entanina hatrany ny olom-pirenena mba hampandre ny manam-pahefana raha mahita sy mahatsikaritra zavatra mampiahiahy.

Mino

Partager sur: