Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny fihaonan’ireo depiote sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sasany. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Niatrika ireo depiote nandritra ity fihaonana ity ny minisitry ny Fitsarana, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny Fiompiana, ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana. Natao ny fihaonana toy izao mba hahafahan’ireo depiote mametraka ny ahiahy sy ny fangatahan’ireo vahoaka any amin’ny faritra nahalany azy ireo amin’ireo tomponandraikitra. Nifantoka tamin’ny resaka sosialim-bahoaka sy ny fampandrosoana ny fihaonana omaly. Anisan’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin’ny fitsarana, ny fanohanana ny tantsaha mpamboly sy mpiompy, ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio ary ny fanamafisana ny tetibola sy ny fitantanana eny anivon’ny faritra sy ny distrika. Ny fifanakalozan-kevitra toy izao dia maneho ny finiavan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta hihaino sy hitondra vahaolana ho an’ny vahoaka eny ifotony.
Anisan’ny nolanin’ny Antenimierampirenena tamin’ny endriny nasiam-panitsiana nandritra ny fivoriambe, ny alakamisy 4 jona 2026, ny volavolan-dalàna laharana faha-024/2025, tamin’ny 8 desambra 2025, momba ny antoka. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana sy ireo teknisianina avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara fa ny hanaisotra ireo sakana ara-dalàna sy ara-teknika mbola manemotra ny fivezivezen’ny fampindramam-bola ity volavolan-dalàna ity. Voalaza fa tsy mifanaraka amin’ny filan’ny famatsiam-bola ankehitriny intsony ny rafitra ara-dalàna mifehy ny antoka. Ity volavolan-dalàna laharana faha-024/2025, tamin’ny 08 desambra 2025, izay mahakasika ny antoka ity dia mikendry ny hanavao lalina ny rafitra ara-dalàna mihatra amin’ny antoka amin’ny fananana azo hafindra, mba hahatonga azy ho fitaovana mora ampiasaina, azo antoka ary mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa.
Jean Claude




