Cosmos Morondava : Fihenam-bidy 70% amin’ny entana

Mitondra fampandrosoana sady manome asa eny ifotony ny magazay Cosmos. Nisokatra ny 11 jona teo ny tranombarotra Cosmos any Morondava, magazay faha-22. Dingana vaovao, hanehoany ny fanatonana akaiky kokoa ny mpanjifa any amin’iny faritra iny sy ny manodidina izao. Toy ny any Ambatolahy, Malaimbandy, Ankilizato, Mahabo, Miandrivazo, sns. Ho hitan’ny mpanjifa any an-toerana avokoa ny entana amidin’ny Cosmos manerana ny Nosy. Ahitana ny marika iraisam-pirenena tsara kalitao sady tena izy fa tsy nalain-tahaka ny tranombarotra. Toy ny fitaovana sy kojakoja enti-mahandro sy ao an-dakozia, ny fanaka, ny finday, ny zavamaneno sy fahitalavitra, ny informatika, ny fampihaingoana, ny fitaizam-batana, ny fitaovam-piasana, sns. Hanamarihina ny fisokafan’ity tranombarotra vaovao any Morondava ity, ny fampihenam-bidy hatrany amin’ny 70%, arakaraka ny entana.
Hisitraka ny tolotra ataon’ny Cosmos ihany koa ny mpanjifa any Menabe. Azo atao ny mandoa tsikelikely ny vidin’izany hatrany amin’ny 30 volana. Misy koa ny antoka ho an’ny entana amidy hatrany amin’ny roa taona, arakaraka ny marika. Maimaimpoana ny fitaterana ny entana mankany an-trano sy ny fametrahana sy fampandehanana azy.

Njaka A.

Partager sur: