Hatao ny 18 sy ny 19 jona 2026 ho avy izao ny « Foara Fibre Yas » eny amin’ny Zaridaina Antaninarenina. Nohazavain’ny tomponandraikitry ny fanentanana ao amin’ny orinasa Yas, Ramatoa Rakotoanosy Anja Nomena, omaly, fa tanjona ny fanakaikezana bebe kokoa ny mpanjifa. Anisan’ny tena hampahafantarina ny mpanjifa amin’ireo fotoana ireo ny mahakasika ny tolotra ho an’ny isan-tokantrano (offre résidentielle). Manampy izany, nambaran’ny tomponandraikitry ny fampiroboroboana ny Fibre Optique ao amin’ny Yas, Rakotonirina Hasina, fa hisy ny tolotra manokana, mandritra io fotoana io ihany. Hisy ny fahazoana famandrihana internet maimaimpoana mandritra ny 2 volana. Hahazo tombony manokana, « bonus Netflix », avokoa ny mpanjifa rehetra mividy « fibre ».
Hisy ny fanentanana sy lalao isan-karazany, toy ny fifaninanana « gaming », ny andrana sady filalaovana VR, sns, izay samy hahazoana loka goavana avokoa. Eo koa ny Wifi Zone, misokatra ho an’ny mpitsidika. Ho hita mandritra ny foara Fibre Yas ny toerana natokana hitsapana ny fiasa sy ny tanjaky ny « fibre ».
Andiany voalohany ity foara hataon’ny Yas ity. Tsy hijanona eto Antananarivo fa hoentina manakaiky ny mpanjifa rehetra manerana ny Nosy. Hatao any Toliara ny 6 sy 7 jolay, any Mahajanga ny volana oktobra ary any Toamasina ny volana novambra, ny hetsika.
Njaka A.




