Miato ny fampiharana ilay hetra TVM na Haba amin’ny fiara enti-milina. Izay ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny 11 jona teo. Nambarany fa efa nolanian’ny Antenimiera roa tonta io hetra io, tao anaty tetibola 2026, mialoha ny fijoroan’ny fitondrana Fanavaozana. Antony nampiatoana ny TVM ny fitsinjovana ny besinimaro.
Miisa 7 ny tohodrano vita any Isoanala, faritra Anosy. Manondraka velaran-tany 3 500 ha, tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Mionjo”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola izany. Mahatratra 4 800 ny tantsaha misitraka azy, hampitombo ny vokatra. Namatsy masomboly sy ny fampiasana ny voly vary nohatsaraina (SRA) ihany koa ny tetikasa. Nitokana ny fotodrafitrasa ny zoma 11 jona teo, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Nisy ny atrikasa momba ny ady amin’ny fiantraikan’ny zavamananaina arovana. Nikarakara izany ny fikambanana Traffic sy ny Vondrona eoropeana (UE). Nohamafisina ny fahaiza-manao amin’ny fitiliana sy ny famantarana ny ambana, ny ady amin’ny trafika eny amin’ny sisintany, sns. Nandray anjara tamin’ity atrikasa, natao ny 27 hatramin’ny 29 mey teo, ity ny Fadintseranana, ny Polisim-pirenena, ny Zandarimaria, ny minisiteran’ny Tontolo iainana ary ny ao amin’ny Jono.




