Noleran’ny zana-badiny tamin’ny antsy ny renikeliny, afakomaly, tany Brickaville. Norobainy, tamin’izany, ny vola sy volamena tao an-trano. Efa nandrahona ny hamono ity ramatoa ity ho faty ny nahavanon-doza rehefa mandray zava-mahadomelina.
Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty tsy tra-drano noleran’ny zana-badiny tamin’ny antsy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambinaniniony, disitrikan’ i Brickaville, ny sabotsy maraina. Hita faty tao an-tokantranony ity renim-pianakaviana ity. Tsy tao an-trano ny rangahy vadiny tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa mbola namita asa aman-draharaha tany an-tsaha, izay mikarakara fambolena sy fiompiana. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra no nivalampatra tao an-trano, tamin’ny fotoana nidirany ny trano. Nampandrenesina mahakasika ny zava-nitranga ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary, niaraka tamin’ny mpitsabo, taorian’izay. Noho ny ratra sy fahaverezan-dra be loatra no nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana. Lavitra ny toeram-pitsaboana rahateo ny toerana nitrangan’ny loza ka nampananosarotra ny famonjena azy.
Nandray zava-mahadomelina
Zana-badin’ilay ramatoa ity tovolahy nahavita namono azy ity. Efa notezaina hatry ny fahakeliny. Tia mandray sy mifoka zava-mahadomelina izy saingy tsy voafehin’ireo ray aman-dreniny tamin’izany. Mitaky sy manery io renikeliny io mba hanome vola azy hividianana rongony ity farany. Rahonany ho vonoina raha tsy manome, raha ny loharanom-baovao hatrany. Ankoatra izay, rehefa mamo dia mbola mandrahona ity ramatoa ity ho faty sy hanindrona azy amin’ny antsy rahateo ihany koa.
Lasa nitsoaka niaraka tamin-javatra nangalariny tao an-trano ilay tovolahy nahavanon-doza. Lasany, tamin’izany, ny vola rehetra sy ny firavaka volamena tao amin’ny tokantranon’io renikeliny io. Efa manao ny fikarohana ity farany ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Mitohy ny fanadihadiana.
Sajo/ Mino




