Hentitra ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) manoloana ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo azo amin’ny hena voahodina teto Antananarivo sy Antsirabe. Vokany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo kaomisera sy tomponandraikitra tamin’ireo toeram-pivarotana lehibe (Grandes surfaces) manerana ny Nosy. Vokany, nahatratra 7 “caddy” ny “charcuterie” nogiazana sy atao fitiliana, tamina toeram-pivarotana lehibe teto Antananarivo. Valin’ity farany no hamaritana na haverina eny amin’ny toerana misy azy sy hamidy ny vokatra na handraisana fepetra. “Nohamafisina ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana sy ny minisitera taorian’ireo trangana fahapoizinana ara-tsakafo azo avy amin’ny fanjifana ireo hena voahodina tany Antsirabe sy teto Antananarivo”, hoy ny minisitra Andriamadison Haingotiana. Mandrisika ny mpandraharaha hanaja ny lalàna velona mifehy ny varotra, indrindra ny fanajana ny zon’ny mpanjifa, ka hitandro ny kalitaon’ny entana atolotra ny mpanjifa ny minisitra. Tsiahivina fa sampana maromaro tao amin’ny toeram-pivarotana iray no nakatona vonjimaika taorian’ny nahitana tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fitahirizana sakafo mora simba, ny herinandro teo. Nahitana trangana tsy fanajana maripana tokony hitehirizana sakafo iray koa ny “grandes surfaces” iray hafa ka nogiazana sy hatao fitiliana eny amin’ny laboratoara ACSQDA.
Henintsoa




