« Ampela mandraharaha » : Fanofanana sy fanohanana ho an’ny fahombiazana

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny fandaharanasa “Am­pela mandraharaha”. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpandraharaha mba hahafahan’izy ireo mampivelatra ny asa maharitra sy mandray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nam­baran’ny mpikarakara fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahombiazan’ny fandraharahana ny fanofanana. “Tsy afaka handroso lavitra ny vehivavy mpandraharaha ra­ha tsy ampy fanofanana sahaza”, hoy ny filohan’ny Asso­ciation des femmes autoentrepreneurs à Madagascar (Afam), Andrianina Andriama­nandraibe, nandritra ny lanonam-panokafana ny zoma teo, teny Andraharo. Araka ny fanazavany, tsy hijanona amin’ny fiofanana fotsiny ny fandaharanasa fa hanolotra fanohanana feno ihany koa. Ankoatra ny fampiofanana, hahazo fanaraha-maso akaiky avy amin’ireo mpanolotsaina na “coach” ireo vehivavy mandray anjara. Kendrena amin’izany ny hanampiana azy ireo hampihatra ny fahalalana azony, hiatrika ny olana eny an-dalana ary hanamafy ny fitantanana ny tetikasa sy ny orinasany. Nampidirina ao anatin’ny fandaharanasa iha­ny koa ny Fahara­nitan­tsaina artifisialy(IA), izay heverina ho fitaovana ilaina amin’ny tontolon’ny asa ankehitriny. Ham­pianarina ireo mpandray anjara ny fomba fampiasana ny IA mba hanamorana asa, hampitombo ny vokatra ary hitsitsiana fotoana. Nanen­tana ireo vehivavy mpandraharaha ny filohan’ny Fivondronan’ny orinasa malagasy (Fom), Tsira­nana Fiona, mba hanana fahasahiana sy faharetana. “Ny vehivavy sahy miroso amin’ny fandraharahana dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ary manokatra lalana ho an’ny hafa”, hoy izy.

Henintsoa

Partager sur: