Notanterahina teo amin’ny tokotanin’ny Gara Soarano, ny 12 sy 13 jona lasa teo, ny andiany fahafolo amin’ny Forum de l’orientation et de l’employabilité (FOE 10). Noresahina manokana nandritra izany ny lohahevitra “Fanovana ara-niomerika sy Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA): ahoana no hampifanarahana ny fiofanana sy ny fahaiza-manao amin’ny filan’ny tsenan’asa ?”. Nasongadina fa mitondra fiovana lalina eo amin’ny sehatry ny asa ny IA ka ilaina ny fanomanana ireo tanora malagasy hiatrika ireo asa vaovao sy ireo fahaiza-manao takin’ny vanim-potoana niomerika.
Mitohy hatrany ny ezaky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hanampiana ireo mpanjono madinika any amin’ny tapany atsimon’i Nosy. Nisy ny fanolorana fotodrafitrasa sy fampitaovana ho azy ireo, narahina fanaraha-maso ireo vatohara nambolena, tany Ambola, Itampolo, Beloke, distrikan’i Toliara II. Fotodrafitrasa natao hitahirizana sy hikajiana ny vokatra azo avy amin’ny jono, mba hanatsarana ny kalitao sy ny sandan’ny vokatra izy io. Fampitaovana hampiroboroboana ny jono sy hampaharitra azy, hanatsarana ihany koa ny fidiram-bolan’ny mpisehatra.
Tokantrano miisa 3 699, ao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo, Ambovombe, Beloha ary Tsihombe no nisitraka tetikasa fanamafisana ny fahasalaman’ny biby, notanterahin’ny Direl Androy, eo ambany fiahian’ny Minel, niaraka tamin’ny fanohanan’ny tetikasa Mionjo. Vokatra azo: osy vita vaksiny sy nasiana “boucle” : 9 425 isa; ondry vita vaksiny sy nasiana “boucle”: 852 isa; Biby voakarakara sy voasoratra anarana: 10 277 isa.




