Lasibatry ny jiolahy ny mpamily taxi iray ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Vontovorona. Novonoin’ireo mpandeha roa noraisina teny Itaosy izy. Voaroba ny vola sy finday, niaraka tamin’ny fiara.
Niharan’ny fandrobana sy asan-jiolahy tetsy ambonin’ny Cnaps Vontovorona, fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fenoarivo, ny zoma alina tamin’ny 11 ora teo, ny mpamily fiara karetsaka iray, marika Peugeot 106 phase I, miloko beige crème. Nandray lehilahy roa teny Itaosy ity farany talohan’ny tranga. Haterina eny amin’ny Cnaps Vontovorona ireo olona ireo, tamin’io, raha ny fanazavana voaray. Nijanona ny fiara rehefa tonga teny amin’ny toerana nifampiresahana hanaterana azy ireo. Nampiandry fotoana kely ny mpamily ireo mpandeha roa lahy fa efa hoavy ny olona hanatitra ny vola saran-dalana. Namily ny fiara nitodi-doha ilay mpamily nandritra izany ka nokendain’ireo roa lahy ireo avy hatrany. Navoakany tao anaty fiara ary nodarohany sy noratrainy. Navelany teo amin’ny tany rehefa tsy nahetsika intsony ary nentin’izy ireo nitsoaka ny fiara. Afaka fotoana elaela taorian’ny nanjo azy vao afaka niantso vonjy sy nila fanampiana tamin’ny mponina teny amin’ny manodidina ity lasibatra ity.
Voaroba ny fiara
Lasan’ireo jiolahy nanditra izany ny fiara niaraka tamin’ny finday iray ary ny vola mitentina 150 000 Ariary tao anaty taratasin’ny fiara. Nitsoaka nitodidoha niatsinanana ny lalan’ireo olon-dratsy taorian’izay. Nampandre ny zandarimariam-pirenena mahakasika ny zava-nitranga ny mponina teny an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II. Efa nentin’ny olona hamonjy hopitaly ilay naratra tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Fiaran’olon-tsotra no nitondra azy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olona nahavanon-doza hatramin’izao. Miandraikitra ny raharaha ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II, Vontovorona.
Mino




