Nosamborin’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny ny mpanendaka roa lahy sarona tetsy Anosibe Tsena, ny alahady 14 jona teo. Vehivavy hamonjy tsena tamin’ny 6 ora maraina, narahin’ireo olon-dratsy. Nandrasan’izy roa lahy tamin’ny toerana mangingina, nokasainy horobaina io ramatoa io. Tetsy ankilany, nisy mpitandro filaminana avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy (CSP5) nanara-maso teny amin’ny manodidina. Nahita ny fihetsika nataon’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana ka niditra an-tsehatra nanao ny asany. Nendahin’ireo mpandroba ilay vehivavy ary efa lasany ny poketra nisy ny vola tamin’io fotoana io. Tsy lasa alavitra, voasambotra ilay nahavanon-doza ka notanana. Lehilahy iray hafa nandray anjara tamin’ny asa fanendahana io notazomina niaraka tamin’ilay tompon’antoka io. Hatolotra ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana Anosy izy roa lahy ireo aorian’ ny fanadihadiana ataon’ny polisim-pirenena. Naverina tamin’ ny tompony ny poketra nendahin’izy mirahalahy.
Tsiferana R.




