Nisokatra omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny fihaonana arahina famelabelaran-kevitra notarihin’ny avy ao amin’ny « Ecole d’état-major » (EEM) na ny sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy. Lohahevitra amin’izao fihaonana izao ny hoe : « Foloalindahy miatrika ny ambana marolafy : ny stratejika hiatrehana izany ho an’i Madagasikara ». Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) teo aloha, ny Jly Rakotonirina Richard, izay nanasongadina fa efa misandrahaka amina sehatra maro ny ambana misy amin’izao fotoana izao fa tsy mijanona ho an’ny fitandroana ny filaminana ihany. « Manana adidy ny fanjakana misoroka mialoha amin’ny alalan’ny stratejika ara-jeopolitika ahafahantsika miantrika izany. Mihamivoatra rahateo ny teknolojia avo lenta toy ny fampiasana drone amin’izao. Mifandraika amin’izany ny angovo, loharanon-karena stratejika ary ny teknolojia, toy ny zava-misy any ivelany, araka ny nambarany.
«Sehatra iray ahafahana manofana ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy ity fihaonana arahina famelabelan-kevitra tarihin’ny EEM ity. Sehatra ahafahana mandinika zavatra marolafy izay nanasana manokana ny FDS eo anivon’ny fitandroana ny filaminana », hoy ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Pikulas Démosthène. Nohamafisiny fa tsy afaka hiolonolona isika ary mahatsiaro manana andraikitra ny Tafika Malagasy amin’ny alalan’ny EEM mijery ny zavatra maro samihafa, mandinika ny ho avy manoloana ny ambana samihafa mivantana na ankolaka eto amin’ny firenentsika. Nambaran’ny talen’ny EEM, ny Kly Mamiarivelo Jacqueliat Rabenjarison, fa nosafidiana manokana ny lohahevitra satria manoloana ny fiovan’ny ambana atrehantsika amin’izao fotoana izao, tsara ny mametraka stratejika manokana manoloana ny ambana marolafy misy amin’izao fotoana izao.
Jean Claude




