FANTINA sy FINTINA

Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandro amin’ny fikaonandoham-pirenena, raha tsy misy ny fiovana. Hitarika izany ny eo anivon’ny FFKM ary efa eo am-panomanana izany ireo tomponandraikitra rehetra, raha ny loharanom-baovao. Hanombohana izany ny fakan-kevitra momba ny fanatsarana ny fifidianana sy ny fanovana ireo rafitra tsy nahomby.

Nitondra am-bavaka ireo zanany efa nitana andraikitra na ireo mbola misahana izany eo anivon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny FJKM. Notanterahina teny amin’ny FJKM Andrainari­vo, ny alahady teo izany. Anisan’ny niatrika izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana, Rakotovao Rivo, Rajerison Antoine…

Hotsarovana manokana ilay « Tsingerin-taona mainty » teny Ambohimalaza, ny 15 jona 2025. Hanama­rika izany ny havan’ireo niharam-boina, amin’ity anio ity, noho ny 16 jona 2025 naha maro ireo maty tamin’izany. Nambaran’izy ireo fa hisy ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fotoam-bavaka amin’izany.

Any Chine, nanomboka ny 9 hatramin’ny 17 jona izao, ireo delegasionin’ny Antenimierampire­nena. Ahitana solombavambahoaka miisa dimy izany sy ny sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ity andrimpanjakana ity. Nisy fihaonana tamin’ny tale misahana ny raharaha afrikanina, Rao Huihua, eo anivon’ny antoko PCC.

Partager sur: