Toamasina : Maro ny antony mahasimba ny lalana

Mizara telo ny antony mahapotika ny lalana godirao eto Toamasina. Voalohany, be loatra ny orana ka miangona matetika ny rano, sady tsentsina ny lakandrano. Faharoa, simba ny lalana vokatry ny fandoran’ny olona ny kodiarana eny amin’ny arabe. Fahatelo, ny fiantraikan’ny rivodoza Ge­zani farany teo. Manoloana ireo, nilaza ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Andriafanomezantsoa Alain, izay mpahay lalàna rahateo, fa tsy atao mahakivy ireo, fa tsy maintsy atao ny asa fanamboaran-dalana. Nambarany izany nandritra ny fanarenana ny ampahan-dalana mirefy 500 m, amin’ny lalana Ivoloina, miainga eo amin’ny sampanana Lycée Français hatreny amin’ny Sinoabe Tanamakoa, ny talata 9 jona teo. Nampitaraina ny rehetra ity lalana ity, satria indroa isan-taona no tsy maintsy natao, nandritra ny 10 taona. Notsindrin’ny ben’ny Tanàna fa tsy maintsy atao mafy sy haharitra ity lalana ity, manomboka izao, hatao « béton».
Maro ny ampahan-dalana efa vita eto Toamasina. Toy ny manoloana ny fiangonana Betela eny Bazarikely, ny sampanana eny Mangarivotra, ny eny Ankirihiry, ny eny amin’ny Dépôt, sns. Tombanana maherin’ny 60 km ireo rehetra ireo.

Sajo

Partager sur: