Tohodranon’i Soanala : Niakatra avo roa heny ny voka-bary

Manondraka velaran-tany 2 026 ha ny tohodrano vaovao any amin’ny kaominina Soa­nala, faritra Anôsy. Nahavi­tana izany ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Afaka mamboly indroa, isan-taona, ny tan­tsaha any an-toerana, ankehitriny. Mahatratra 4 800 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity. Nambaran’izy ireo fa nitombo maherin’ny avo roa heny ny vokatra. Niakatra ho 5 sarety izany raha 2 sarety ny vary azony talohan’ny na­havitan’ny tohodrano. Ni­hatsara ny fari-piainana, afaka mianatra daholo ny ankizy. Mbola nahazo masomboly hafa, toy ny voanjo, katsaka avy amin’ny tetikasa Mionjo koa izy ireo. Faly ny mponina satria nidina ho 550 Ar ny kapoakan’ny vary any Isoa­nala, raha efa tafakatra 900 Ar teo aloha.

Afaka manao voly avotra
Ho an-dRandrianasolo Rija, filoha lefitry ny fikamban’ ny tantsaha Ahay, ankoatra ny fambolem-bary, efa hiditra amin’ny fanaovana voly avotra koa izy ireo. Notokanan’ny fi­lohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny 11 jona teo, ity tohodrano any Isoanala ity. Nisy ny fizarana fitaovam-pamokarana, toy ny ragiragy miisa 169, angadin’omby 18, fanondrahana 317 ary famafazana fanafody 122.

Njaka A.

Partager sur: