Manomboka miakatra sahady ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao. Lasa 850 Ar ny vidin’ny atody raha toa ka mbola 700 Ar izany teo aloha. Mananika ny 9 800 Ar ihany koa ny vidin’ny menaka eny amin’ireo mpamongady, raha toa ka efa mahatratra 10 000 Ar izany eny amin’ireo mpaninjara. Fiakarana nanomboka taorian’ny fetin’ny Pantekoty.
Nifantoka tamin’ny fandrafetana paikady hampiroboroboana ny indostria sy hanohanana mivantana ny sehatra tsy miankina ao Vakinakaratra ny fikaonandoha isam-paritra natao tany an-toerana. Napetraka ny paikady mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny faritra. Natsangana ihany koa ireo vaomiera miisa enina izay hametraka ny fototry ny rafitra maharitra ho an’ny dinika iarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina isam-paritra. Hasongadina ao anatin’izany ny hanohizana ny dinika sy hanaraha-maso ny fanatanterahana ny drafitra marolafy.
Mihapotika ny tontolo iainana ao amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara. Mihamaro sy mihamafy ny tranga ara-boajanahary miseho ao an-toerana ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Ankehitriny, hisehoan’ny rivodoza saika isaky ny roa taona ao an-toerana raha toa ka isaky ny 7 ka hatramin’ny 10 taona izany teo aloha.




