Fahafatesan-dRabenirina Jean-Jacques: Voaheloka higadra 30 volana ilay mpamily

Nivoaka, omaly, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny didy momba ny raharaha nahafaty ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Olona fito no voarohirohy, izay nahitana ny mpamilin’ny kamiao sy dokotera enina. Taorian’ny didy, voaheloka higadra 18 volana noho ny fanaovana vono olona tsy nahy, miampy fandoavana onitra 6 tapitrisa Ariary, ny mpamily nahavanon-doza. « Mbola voaheloka 12 volana an-tranomaizina, sazy mihatra, noho ny fandosirana ihany koa izy », hoy ny tonia mpampanoa lalàna lefitra, Randriana­rivony Nirina, tetsy amin’ny fitsarana Anosy. Ankoatra izay, voasazy handoa vola 4 200 000 Ariary amin’ny zanaka sy ny mpiray tampo amin’ny maty, ary ny lany tamin’ny fandevenana ity farany. Nohafahan’ny fitsarana nadiodio ny dokotera enina.
Raha tsiahivina, maty voadonan’ny kamiao tetsy Andoharanofotsy, ny 25 septambra 2025 lasa teo, ity solombavambahoaka ity. Nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka teny amin’ny 4 chemins no nisehoan’izany.

Mino

Partager sur: