Miandry an’i Paoly

 

Nankaiza nankaiza ilay fikaonandoham-pirenena? Fanontaniana apetraky ny olona maro amin’izao fotoana. Tsy nandrenesam-peo intsony hatramin’ny FFKM, izay noheverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena. « Toa jamban’ny vola tokoa angaha? », araka ny fanakianana re etsy sy eroa. Manomboka mampiaka-pofona ny sarambabem-bahoaka fa lasa tratran’ny fandrebirebena faobe indray. Tena ireo noheverina fa olon-kendry no lasa moana sy marenina.
Tsy olana izany raha misy ny vaovao ifampi­zarana, mba hampisokatra ny saim-bahoaka. Ny olana dia miziriziry sy midongizina tsy handrenesan-teny avokoa izay hery velona tokony hitondra ilay raharaha. Miolonolona tsy hita ny andraisana azy. Izay anontaniana mampiandry lava. Mampiesona amin’ny valin-teny boraingina fa efa mikarakara, hono. Tsy mora izao hoe ny manao zavatra fa saro-pady sy tsy azo hikoropahana ilay izy. Miala maina foana amin’izay valin-teny angatahana.
Mandrirarira ry zalahy, mampifilafila mihitsy ny loharanom-baovao ofisialy. Tsy hita ifanomezan-tsiny rahateo io fa arahina ambokony. Mety ilay samy miandry vasoka matoa tsy misy mahasahy miteny sy mamaky bantsilana. Lazaina fa vanim-potoan’ny fahalalahana miteny rahateo izao, ka asakasak’izay ho sahy hanakombom-bava. Mazava ho azy fa mpiray tsikombakomba amin’ny tsy fietezan-javatra izay voan’ny bemanaiky tsy mihetsika eo.
Raha ny fizotry ny toe-draharaha dia mampanahy be ihany ny mety ho fiitaran’ilay tetezamita. Tsy mbola manangasanga mihitsy aloha izay finiavana hanafaingana ny famitana azy. Ny taon-trano tsy efan’ny irery, mazava ho azy fa tsy ampy ny finiavana manokana ataon’i Kolonely. Izy irery hatreto no mahasahy milaza fa efa vonona sy tsy manohitra ny firosoana amin’ny fifidianana faran’izay haingana indrindra. Efa maromaro izay fanomezan-toky izay!

r.r

Partager sur: