FANTINA sy FINTINA

Hihaona amin’ireo Malagasy any Frantsa sy Eoropa ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ny sabotsy izao. Efa any Paris, hatry ny omaly, ny tenany. Voalaza fa anisan’ny anton-diany any ny fifampiresahana sy fihainoany ireo teratany malagasy « Diaspora » any an-toerana. « Hampahafantarina azy ireo ny zava-misy any an-tanindrazana », hoy izy.
Mandroso ny fanaovana ny «enrôlement biométrique », araka ny nambaran’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Randriana­soloniaiko Siteny, omaly. Anisan’ny nanao izany izy ka nanambara fa hanamora ny asam-panjakana ny fanaovana azy ity. « Hadio kokoa ny fifidianana satria sarotra ny hangalaram-bato amin’io », hoy izy.
Nandray ny asany ny tale vaovao ho an’ny fiarovana ny Andrimpanjakana, Lapan’Anosikely, ny Kly Randriamboavonjy Bruno Roger. Natao, omaly, ny famindram-pitantanana tamin’ny teo aloha, ny Kly Randria­narivelo Jean Elysé. Tsiahivina fa hisahana ny komandin’ny sekolin’ny zandary ao Moramanga, ny teo aloha, manomboka izao.
Nandray ny delegasionin’ny « Fondation Friedrich-Ebert-Stiftung – FES » avy any Botswana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Ambohijatovo. Nampaha­fantarin’ireo vahiny ny tetikasa « Laboratoaran’ny demokrasia » na ny sehatra natao hanomezana vahana ny tanora.

Partager sur: