Nahatsiaro manokana ireo sokajin’olona marefo sady manana fahasembanana miisa 75 ny Groupe Axian, ny faran’ny herinandro teo, ka nizara bodofotsy mafana sy vary hiatrehana ny ririnina sy ny fetin’ny faran’ny taona.
Fianakaviana misitraka tohana isam-bolana, nandritra ny 7 taona, efa karakarain’ny Axian ihany ireto olona manana fahasembanana ireto saingy noho ny fetin’ny Asaramanitra sy ho fitsinjovana azy ireo amin’izao hatsiaka izao dia notolorana ireo fanampiana ireo, hoy Razakamanantsoa Jessica, mpitondra tenin’ ny vondrona Axian.
Manana fahasarotana amin’ny fisedrana ny fiarahamonina izy ireo satria tena tsy afaka miasa. Rehefa vanim-potoan’ny Asaramanitra sy ny krismasy dia mihaona mivantana amin’izy ireo ny tomponandraikitra hahafantarana ny fivoarany sy hanomezana azy ireo tohana manokana.
Isan-taona, mitady olona manana fahasembanana sady marefo miisa 10 samihafa ny vondrona Axian hotohanana. Amin’ ity taona ity kosa, ankizy miisa 10, izay latsaky ny 16 taona, anaty fianakaviana tena sahirana ary manana fahasembanana no hampian’izy ireo ankoatra iretsy efa mahazo fanampiana nandritra ny 7 taona iretsy.
Omen-danja kokoa ny ankizy amin’ity taona ity ary hojerena ny fianarany raha mbola afaka mianatra, ny fanafody, ny fanaovana scanner… Hiova isan-taona ireo andian’olona marefo hisitraka fanohanana manokana ireo.
Tatiana A




