Notanterahina tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, Antsirabe, ny zoma lasa teo, ny famoahana ireo mpianatra nahazo ny diplaoma voalohany nomen’ity sekoly ambaratonga ambony ity. Tonga nanatrika izany, sady nanome voninahitra ny lanonana, ny Fiadidiana ny Fanavaozana, tamin’ny alalan’ny Mpanolotsaina avo, ny Kly Rampanarivo. Fantatra fa ny Oniversiten’i Vakinankaratra irery no Oniversitem-panjakana manana « mention textile ». Ny zato isan-jato amin’ireo mpianatra mivoaka amin’io sampam-pampianarana io, hatreto, dia nahita asa avokoa raha vao nahavita fianarana. Ray mpiahy ireto andiany nivoaka ireto koa ny Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana. Nivoaka tamin’ny fomba ôfisialy koa, tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra ihany, ny mpianatra avy amin’ny andiany “Mijoro”, ambaratonga “Licence” sy “Persévérance”, ambaratonga “Master”, mpianatra avy ao amin’ny Institut des Hautes études en science de la société. “Amin’izao fotoanan’ny Fanavaozana izao, laharam-pahamehana ny mampifanandrify ny filana amin’ny fahaiza-manao. Manana andraikitra voalohany ary lehibe izahay amin’ny fametrahana tontolo ahafahana manatanteraka sy mahalavorary izany”, hoy ny Mpanolotsaina avo, ny Kly Rampanarivo.
Jean Claude




