Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny fanaovan-tsonia ny drafitrasa iarahany amin’ny BNGRC mandritra ny taona 2026- 2027. « Raha zohina ny zava-misy, miha mahery vaika ny rivodoza mandalo eto Madagasikara. Mbola mahazo vahana ny haintany any atsimon’ny Nosy ka mamparefo ny tokantrano maro », hoy ny solontenan’ny Pam eto Madagasikara, i Tania Goossens.
Hifototra amin’ny zavatra efatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Ny fanamafisana ny fandrindrana ny asa fiomanana sy fitondrana vahaolana aorian’ny fandalovan’ny voina, ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Eo koa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiantsehatra. Anisan’ny sehatra vaovao tafiditra amin’ny fiaraha-miasa koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite maro, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Hamaly ny vina mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’
andro sy ny tanjaky ny loza voajanahary miseho eto amintsika ny drafitrasa napetraka. Tanjona ny hamonjy aina, hiaro ny fiharian’ny vahoaka ary hanamafy ny fahafahana miarina aorian’ny fandalovan’ ny voina.
Nandritra ny hetsika, omaly, koa no nanatontosana ny famindram-pitantanana ny Hub logistique humanitaire ao Manakara. Niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina ny fametrahana izany fotodrafitrasa lehibe izany.
Vonjy




