Tsy nisy aina intsony ny zazavavy iray tsikaritry ny mpandalo tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alatsinainy 22 jona teo. Nitafy lamba madio ara-dalàna sady tsy nahitana fahasembanana ilay zaza. Notsirihin’ny tomponandraikitra ka voamarina fa zaza vao teraka tsy mihoatra ny telo andro lasa ity hita faty ity. Navelan’ny reniny teo amin’ny tokotanim-pasana iray anatin’io kaominina io. Tsy fantatra mazava raha toa ka efa namoy ny ainy izy io talohan’ny nanariana azy. Na izany aza, hentitra ny fanapahan-kevitry ny lehiben’ny fokontany sy ny zandary satria tokony ho nomen’izay reny niteraka azy hasina ilay zaza. « Tokony ho nalevina araka ny fomban-drazana fa tsy ariana », hoy ny zandary. Noraisin’ny fokonolona sy ny sefo fokontany an-tanana ny fikarakarana ny nofo mangatsiakan’ilay zaza. Karohin’ny mpitandro filaminana ny reny nahavanon-doza.
Tsiferana R.




