“Africa Health ExCon 2026”: afaka nametraka paikady sy fanamby i Madagasikara

Nandray anjara tamin’ny hetsika iraisam-pirenena amin’ny fahasalamana tao Afrika i Madagasikara, ny herinandro teo. Notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Managna Monira, ny delegasionina.

Nisy ny fivoriana stratejika momba ny fahaleovantena sy ny fiarovana ara-pahasalamana aty amin’ ny kaontinanta Afrika, nandritra ny fihaonana “Africa Health ExCon 2026”.
Manoloana ny fanamby ara-pahasalamana sy ny areti-mifindra ankehitriny, miditra amin’ny dingana lehibe i Afrika ary ao anatin’izany i Mada­gasikara.

Ho an’i Madagasikara manokana, misy fahafahana stratejika lehibe ny amin’ny nanaovana haitaky hametraka paikady lavitr’ezaka amin’ny fijerena ny rafi-pamatsiam-bola vaovao ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Eo koa ny fampiharana ny politikam-panavaozana ara-pahasalamana nasionaly amin’ny fenitra isam-paritra eo anivon’ny fa­ritr’i Afrika. Manampy izany
ny fanamafisana ny fahare­tan’ny rojo famatsiana (supply chain). Akoatra ireo, ny fampidirana ny fanavaozana ara-teknolojia vaovao afa­ka miaro ny vahoaka malagasy amin’ny krizy ara-pahasalamana sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro.
Tsy ho fandaniam-bolam-panjakana ny fahasalamana fa fampiasam-bola stratejika ho an’ny fahaleovantena, ny faharetana ary ny fampandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara.

Hevi-dehibe nifanakalozana tao anatin’ny fihaonana ny momba ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana amin’ny alalan’ny Drafitrasa voalamina tsara sy ny tondrozotra fampisehoana azo refesina, araka ny fomba fiasa “Fahasala­mana Tokana” (One Health). Mampifandray ny fahasala­man’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana izany.
Nodinihina koa ny fampifanarahana ny lalàna momba ny fanafody sy ny fandaminana ny tsena isam-paritra amin’ny alalan’ny Rafitra afrikanina fividianana fanafody (African Group Purchasing Mecha­nism). Tanjona ny hiantohana ny fidiran’ny firenena rehetra amin’ny fitaovana famantarana aretina, vaksiny, fanafody ary vokatra ara-pahasalamana tena ilaina.

Tatiana A

Partager sur: