CEPE- Cisco Antananarivo Avaradrano: nampiakatra ny taham-pahafahana ny andrana

Ny Cisco Antananarivo Avaradrano no mitana ny laharana voalohany amin’ny taham-pahafahana CEPE 2026, nahatratra 93,16%. 11 274 ny mpianatra nahazo ny mari-pahaizana CEPE tamin’ ity taona ity, tamin’ireo 12 102 niatrika ny fanadinana. Ma­naraka eo ny Cisco Andra­masina, nanana taha 92,73% ary fahatelo ny Cisco Anta­na­narivo Atsimondrano. 7 taona ny zandriny indrindra tamin’ny mpiadina ho an’Avaradrano, raha 22 taona kosa ny zokiny indrindra. “Tsara ny vokatra noho ny ezaky ny mpampianatra sy ny filofosan’ny mpianatra. Tena nanampy koa ny fanatanterahana ny CEPE andrana maromaro nataon’ny Zap sy ny Cisco ka zary voafehin’ny mpianatra ny taranja rehetra”, hoy ny lehiben’ny Cisco, Ratsimandresy Aina.
Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, efa vonona ny tomponandraikitra rehetra. Mano­didina ny 9 000 eo ho eo ny isan’ny mpiadina, izay niakatra raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa ho an’Avaradrano. 52 taona ny zokiolona amin’ny taonan’ny mpiadina, raha 11 taona ny zandriny indrindra. 27 ny isan’ny foibem-panadinana handray izany. Ho­tan­terahina ny alatsinainy 6 jolay hatramin’ny alakamisy 9 jolay ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy.
Ho an’ny Cisco Atsimon­drano, 13 600 ny isan’ny mpiadina ho an’ny BEPC.

Vonjy

Partager sur: