Fampianarana ambaratonga ambony: « Tokony homena toerana 500 isa isan-taona»

Nanatontosa filankevitra nasionaly ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpa­m­pianatra tamin’ity herinandro ity, tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra. Anisan’ny nodinihina ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Mahave­lombolo, hoy ny fanambarana nataon’ny biraon’ny Seces nasionaly, ny fanekena ny lalàna, didim-pitondrana ary didim-panjakana momba ny fampianarana am­bony sy ny fikarohana. Mbola betsaka koa anefa ny tokony havoaka sy harovana mba ho afaka mifaninana amin’ny oniveriste vahiny ny eto amintsika.
Momba ny fananganana oniversite any amin’ny faritra hanakaiky vahoaka, ilana mpampianatra mpikaroka sy fitaovana sahaza izany hifanaraka amin’ny vanim-potoana, hitondra vokatra tsara ho an’ny taranaka. Voalazan’ny tatitra fa mila mandray mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mahatratra 3 750 ny onivesite miankina amin’ny fanjakana sy ny toeram-pikarohana. Mba ha­ha­fahany mihodina izany. Vahaolana fohy ezaka natolotry ny Seces ny famerenana ny “remplacement numérique” sy ny fanatsarana ny fandraisana mpiasam-panjakana arahina fepetra.
Vahaolana maharitra kosa ny fampakarana ho 500 isan-taona ny “poste budgétaire” ho an’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony, manomboka izao. Ankinina amin’ny Seces isam-paritra ny fandraisana mpampianatra ao ana­tin’ny mangarahara.

Vonjy

Partager sur: