Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Nandalo sedra ny Tim tao anatin’ny 24 taona »

Nomarihina teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny faha-24 taonan’ny Tim. Notsiahivin’ny filoha mpanorina, Ravalomanana ny lalana nodiavin’ny antoko.

«Maro ny fisedrana tao anatin’ny fito taona nitantanana firenena sy ny taorian’izany. Nandalo fitsapana sy ny sakantsakana ary hetraketraka. Mbola mijoro anefa ny Tim», hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny mampiavaka ny antoko ny rafitra matanjaka sy ny fotokevitra mazava ary koa ny fitokisan’ny vahoaka. Napetraka ho laharam-pahamehana ny vahoaka, araka ny nambarany. «Tsy nanaiky nobaikon’ny vahiny isika ary nametraka vina mijery lavitra», hoy ihany izy. Notsia­hiviny fa anisan’ny tena nanimba ny firenena ny hetraketraka sy ny fitadiavana tombontsoa manokana. Teo koa ny fampirisihana ny fampisarahana saingy mbola mijoro sy matanjaka ary velona sy miaina ny Tim, araka ny nambarany hatrany. «Ma­nana olom-boafidy sy mpitarika manerana ny Nosy. Misy tanora sy vehivavy manatevin-daharana, miaraka amin’ny faharesen-dahatra amin’ny foto-kevitra», hoy ihany izy.
Voatsiahy tamin’izany ny vina. Ny nilaminan’ny va­hoaka noho ny fandriampahalemana, ny fiakaran’ny harin-karena sy ny tahan’ny mpianatra niditra an-tsekoly. Ny ady amin’ny koli­koly… «Tanteraka izany rehefa nifampatoky ary mazava ny fitantanana», hoy ihany izy.
Tsy ho kandidà amin’ny fifidianana
Nambarany koa anefa fa azony omena olon-kafa ny vinam-piarahamonina avy aminy raha nanontanian’ny mpanao gazety raha mbola ho kandidà ny tenany. Anisan’ny misongadina amin’izany vina izany ny hitodihana bebe kokoa amin’ireo aty amin’ny faritr’i «Afrique Australe». «Ho taraiky eto isika raha hitoka-monina ka aleo miaraka amin’ ny firenena matanjaka sy akaiky antsika… Efa mandroso be Afrika Atsimo izao», hoy izy. Midika ve izany fa tsy ho kandidà Ravalomanana Marc fa hanome olon-kafa ny fandaharanasany ?

Synèse R.

Partager sur: