“Manamafy izahay fa mahaleo tena ny firenena malagasy. Ny vahoaka malagasy irery ihany no masi-mandidy amin’ny fandraisana ireo fepetra heverina fa tokony hitondrana ny firenena”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, namarana ny fivorian’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Noho izany, tsy azo ekena izay rehetra mety ho fitsabahana sy tsindry avy amin’ny firenena na vondrona iraisam-pirenena avy any ivelany manohintohina ny fiandrianampirenena. Miantso ny firenena sy ny vondrona mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara izy tsy hanao tsinontsinona sy hanamaivana ny tolona nataon’ny vahoaka malagasy, ka nahatonga ny fijoroan’ny fitondrana Fanavaozana izao. “Miantso anareo izahay hanampy an’i Madagasikara hahatanteraka ato anatin’ny 24 volana na mitohy ireo programa efa napetraka sy ireo fifidianana azo antoka hatao hametrahana Repoblika vaovao sy ireo mpitondra voafidy eto Madagasikara”, hoy izy.
Anisan’ny asa vitan’ireo depiote ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2026, nandraisana fepetra hahatonga ny tetibolam-panjakana hifanaraka amn’ny laharam-pahamehan’ny firenena sy izay tena ilain’ny vahoaka. 11 ireo volavolan-dalàna sy tolo-dalàna nodinihina sy nolaniana: natao hifanaraka amin’ny fanavaozana ny Repoblika, ka hitondra vahaolana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka ho fampandrosoana ny firenena. Nisongadina ny tolo-dalàna mamerina ny ho tanim-panjakana ireo tanin’ny mpanjanaka teo aloha. Teo koa ny tolo-dalàna hanomezan-danja ny fampiasana ny teny malagasy, ny volavolan-dalàna fanomezana sora-piankohonana hiatrehana ny fanisana biometrika, ny volavolan-dalàna momba ny famatsian-tsolika….
R. Nd.




