FANTINA sy FINTINA

Nifona tamin’ny vahoaka ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, ny sabotsy teo, noho ny tranga niseho teny Ivandry. Niteraka fahatairana ho an’ireo teny amin’ny manodidina izany. «Misy ireo manakorontana amin’ny alalan’ny fampihorohoroana. Tsy azo ekena izany. Miantso ny rehetra hampafantatra ireo mpandefa «Drone» izahay», hoy izy.

Nisy avy hatrany ny fikarohana ny toerana nivoahan’ireo «Drone» nanakana ny fiara nitondra ny filohan’ny fanavaozana, ny zoma alina teo, teny Ivandry. Miditra amin’ny fanadihadiana ireo tompon’ andraikitra ary voalaza fa miditra an-tsehatra manampy izany koa ireo fitaovana avy amin’ny fitondrana Rosianina.

Fanodikodinam-bola sy tsy fahaiza-mitantana no nampigadra ireo mpitondra teo aloha, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, teny Tsimbazaza, ny herinandro teo. «Tsy misy ny gadra politika eto. Ireo voasambotra kosa, fandrahonana ho faty, fanimbana fanananam-bahoaka…», hoy izy.

Tsy milisy ny «Bandeau rouge – Fehilo­hamena», araka ny nambaran’ny mpitarika, Ralaivahiny Frerot. Nohitsin’izy ireo fa anisan’ny nitolona nandrodana ny fitondrana Rajoelina ny fikambanana. «Nanolo-tena izahay, manohana izao fitondrana izao… Tsy mora ny manarina ny firenena potika ka tsy tokony ho maika isika», hoy izy.

Partager sur: