Africa Corps : Mandray anjara amin’ny fitandroana ny filaminana

Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fitandroana sy fametrahana fandriampahalemana aty Madagasikara sy Afrika ny miaramila rosianina na ny Africa corps.

Manoloana ireny fampiasana drones, nanarahan-dia ny filohan’ny Fanavaozana ireny, dia voalaza fa manaraka akaiky sy manampy ny Malagasy izy ireo. Etsy ankilan’izay, mbola mitohy ny iraka ataon’izy ireo any amin’ny firenena afrikanina maro. Maro ny miaramila alefan’ny minisiteran’ny fiarovana rosianina, ho famaliana ny filan’ny firenena mangataka izany. Amin’izao fotoana izao, misy ny ady amin’ny fampihorohoroana ataon’izy ireo any Mopti. Manampy tosika ny foloalindahy Malianina ry zareo. Raha ny tatitra avy amin’ny fibaikoana eo anivon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Ta­fika dia resy tosika ny mpampihorohoro ny alin’ny sabotsy nifoha alahady, tao Konna. Araka ny fampitam-baovao dia maty momoka ihany koa ny fikasana hanafika tao Sou­friulaye nomanin’ny andiana mpanao viveriniainy izay namahatra tao Somadougou. Nisy ny hetsika manokana an-tanenty sy ana habakabaka niarahan’ny roa tonta. Nidera manokana ny maha matihanina ny miaramilany sy ny Africa Corps ny lehiben’ny Etama­zaoro Malianina. Marihina fa ity fanafihana noravan’ny mpampandry tany ity no fampihorohoroana faharoa lehibe indrindra nataon’ny Front de la libération de l’Azawad, sy ny mpanao viveriniainy mivondrona ao amin’ny JNIM, sampana iray amin’ny Al-Qaïda. Anisan’ny voakasiky ny fanafihana maty paika ny tao Gao, Anéfis, Aguelhok, Sévaré ary Kenioroba.

r.r

Partager sur: