Nosy Be : Olona 22 saika hiondrana any Mayotte

Saron’ny Tafika an-dranomasina, tao amin’ny seranan-tsambo Ambaravato, Nosy Be, ny botry iray nikasa hitondra mpandeha an-tsokosoko hiondrana any Mayotte, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 12 jolay teo. Nanao fisafoana tamin’iny faritra iny ny Tafika an-drananomasina izay sady mpiaro ny sisintany malagasy. Tra-tehaka ny fisian’io botry iray izay nampiahiahy io. Niroso avy hatrany tamin’ny fampitsaharana azy tsy handeha ireo mpitandro filaminana. Nosavaina ny entana sy ireo mpandeha tao anatin’ilay botry. Tsy misy taratasy ara-dalàna ary nikasa hiondrana mivantana hihazo ny Nosy Mayotte ireo olona ireo, araka ny fanadihadian’ny tomponandraikitra. Mahatratra 22 ireo mpandeha ka nisy zaza amam-behivavy. Nentina avy hatrany natolotra ny ekipan’ny polisim-pirenena ireo olona sarona ireo mba hanokafana fanadihadiana. Araka ny loharanom-baovao, tafakatra 3 hatramin’ny 10 tapitrisa Ar ny saran’ny mpandeha iray mikasa hiondrana antsokosoko amin’ny alalan’ny botry. Misy andian’olona maromaro efa miray tendro manao io asa maizina io. Mankany Kaomoro sy Mayotte ny ankamaroan’ireo mpandeha. Maro anisa ireo mpiondrana antsokosoko tra-tehaka rehefa volana jolay sy aogositra, raha ny fampitam-baovao ihany. Na izany aza, miasa andro aman’alina misoroka ireny tranga ireny ny miaramila mpiaro ny sisintany sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: