Sambokely misy motera (vedette) iray no rendrika an-dranomasina tao Lavanono, distrikan’i Beloha, faritra Androy, omaly maraina. Niaraka nanavotra sy nisintona izany ny zandary sy ny fokonolona ary ny mpanjono. Efa simba tanteraka ilay sambo ary nahitana motera (hors-bord) roa niaraka taminy. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Lehilahy miisa telo tratran’ny zandary nangalatra vy arofanina hiarovona ny sisin’arabe, eny amin’ny lalam-baovao Andranotapahina Talamaty Ivato, afakomaly maraina tamin’ny 3 ora. Voakarama hanala ireo fitaovana iombonana ireo izy ireo. Afenina any an-tranon’olona hafa ireo vy ary nosaronana labasy. Nosamborina ny lehilahy iray tompon’ny tokotany, izay sady tompon’antoka naniraka ireo mpangalatra.
Lehilahy iray 27 taona, voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fihazonana basy vita gasy tsy ara-dalàna tany Farafangana, ny 11 jolay 2026 teo. Tratra tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Mahabo, kaominina ambanivohitra Maheriraty, distrikan’i Farafangana, ilay basy. Fitaovam-piadiana ahofa amin’ny jiolahy izy io raha ny fantatra. Efa misokatra ny fanadihadiana atao aminy ahafantarana izay rehetra voakasik’izany.




