Toamasina : Hiverina amin’ny laoniny mialoha ny faran’ny jolay ny famatsian-jiro

Nitondra fanazavana ny orinasa Filatex, taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny fitondram-panjakana tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Madiva ho vita ny fanarenana ireo milina simba, sady misy vaovao nafarana ihany koa.

Miandraikitra ny famatsiana herinaratra ho an’ny Jirama, ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny orinasa Filatxe Energy. Nitondra fanazavana ara-teknika ny talen’ny Fifandraisana amin’ny besinimaro, Ramaro­man­dray Tahina, omaly. Tsy mbola tomombana tanteraka ny famatsian-jiro, ankehitriny. Na izany aza, efa miverina mandeha ny milina faha-11, manana tanjaka 18 MW. Misy fahasimbany kely ny milina Toamasina 4, izay efa ma­nam­boatra izahay, hoy izy. Mifanandrify amin’izany, no­hamafisina sady nampitomboina ny isan’ny teknisianina ma­namboatra ny milina faha-10, izay ho vita mialoha ny faran’ny volana jolay ho avy izao, hamokatra 4 MW fanampiny. Satria, laharam-pahamehana amin’ity herinandro ity ny hanarenana ireo milina ireo. Manampy ireo, eo am-panarenana ny milina faha-8, ho vita mialoha ny 15 aogositra.

Milina vaovao fanampiny
Nohamafisin’ny talen’ny Fifandraisana amin’ny besinimaro ao amin’ny Filatex fa tsy mitsoaka andraikitra akory izy ireo. Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toama­si­na, ny zoma 10 aogositra teo, ny milina vaovao. Manana tanjaka 4 MW ity fitaovana vaovao ity, izay efa tonga ao amin’ny tobim-pamokarana any Toa­masina, ka hampitombo ny vokatra herinaratra. Raha aravona, tokony ho efa milamina sy ampy ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra any an-toerana, hatramin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao, sady misy ny ambiny.
Ankoatra ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika, efa eo am-pamolavolana ihany koa ny tetikasa famokarana angovo avy amin’ny masoandro, andiany faharoa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: