Niova ny vinavina! Ny volana marsa 2026 no niverina namokatra solika menaka mavesatra any Tsimiroro ny Madagascar Oil. Tanjona napetraka ny hamokarana 300 barila (1b= 159 litatra) isan’andro. Saingy, ankehitriny, hita fa ho avo roa heny, ho 600 barila isan’andro, no ho azo mialoha ny faran’ity taona 2026 ity, rehefa notombanana ny fizotry ny famokarana. Antony, ny nanavaozana ny fomba famokarana sy ny fampitomboana ny isan’ny mpiasa. Tanjona vaovao napetraka ny hamokarana solika 3 000 barila isan’andro ao anatin’ny roa taona (24 volana) manaraka, mifanandrify amin’ny paikady hampiroboroboana ny tetikasa.
Mifanaraka amin’ny hamatsiana solika menaka mavesatra ny Jirama ihany koa io tanjona ao anatin’ny 2 taona io. Satria, manodidina ny 3 000 hatramin’ny 4 000 barila isan’andro ny filan’ity orinasam-panjakana ity, izay hampihena be ny fanafarana any ivelany.
Tsiahivina fa efa mamatsy menaka mavesatra orinasa tsy miankina maro ny Madagascar Oil, nanomboka ny jolay 2022. Maneho ny hatsaran’ny kalitaon’ny vokatra, mampihodina ny filana herinaratra ireo orinasa indostrialy ireo.
Njaka A.




