Madagascar Airlines : Nanokatra masoivoho ao Mahajanga

Manakaiky ny mpanjifa. Nanokatra ny masoivoho ara-barotra ao amin’ny faritra Boeny ny kaompania Mada­gascar Airlines. Dingana tafiditra amin’ny fanarenana ny orinasa sy fironana tsikelikely amin’ny fiovana ho Air Mada­gascar. Tanjona ny hanakaiky kokoa ny mpanjifa sy hanatsara ny kalitaon’ny tolotra, indrindra amin’izao vanim-potoana mahabetsaka ny mpandeha izao. Manakaiky kokoa ny mpanjifa ao amin’ny faritra Boeny ny tolotra omen’ny kaompania. Hita eny amin’ny masoivoho avokoa, ankehitriny, ny tolotra ara-barotra rehetra toy ny famoahana sy fanaovana tapakila, ny tolotra momba ireo dia ho an’ireo vondrona, fitaterana entana, fanofana fiaramanidina. Eo ihany koa ireo tohana samihafa amin’ny alalan’ny fandaharanasa manokana. Ankilany, vonona handray sy hamaly ny hetaheta ary hanome vahaolana ho an’ireo tetikasa momba ny dia samihafan’ny mpanjifa, ny ekipa ao an-toerana.
“Maneho ny finiavan’ny kaompania vonona hanatsara ny fifandraisana ana habakabaka isam-paritra sy hamaly ny filan’ny mponina ao an-toerana ny hetsika”, raha ny nambaran’ny Madagascar Airlines.
Ankoatra izay, paikadim-panarenan’ny orinasa ny hanavaozana sy hanatsarana ny tolotra omeny manerana ny Nosy. Hamafisiny ihany koa ny andraikiny amin’ny maha kaompaniam-pitaterana ana habakabaka nasionaly azy.

Henintsoa

Partager sur: