Notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tsenam-barotra iray tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina. Noratran’ireo jiolahy, nandritra izany, ny renim-pianakaviana. Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ariary.
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Avarajozoro, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 15 jolay. Mpivarotra iray lasibatry ny jiolahy. Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray. Nahare fipoahana mafy ny mponina teny amin’ny manodidina, tamin’ny 11 ora sy 39 minitra. Nikoropaka ireo manodidina, saingy tsy nisy sahy nivoaka ny trano vokatry ny tahotra. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray ny olon-dratsy mitam-piadiana. Nosimbain’izy ireo ny hidin-trano ka nanao mora ny nahatafidirany. Tsy nisy alaharo, nambanan’izy ireo tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpivarotra lasibatra. « Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray », hoy ny loharanom-baovao voaray avy eny an-toerana. Nitaky ny vola rehetra tao amin’io tsena io ireo olon-dratsy. Tsy voafaritra mazava ny isan’ireo mpandroba nanao ny asa ratsy. Natahotra ny ainy, nanome ny vola ny tompon-tsena voakasika. « Mitetina 2 tapitrisa Ar eo ho eo ny vola lasibatra », araka ny loharanom-baovao.
Vola nisy nanatitra
Vola vao avy nisy nanatitra tao amin’ny mpivarotra ity lasibatry ny mpanao ratsy ity, araka ny angom-baovao avy eny an-toerana. Ahin’ireo mponina eny amin’ny manodidina ho naharaka ny fisian’io vola tao amin’ilay mpivarotra io, araka izany, ireo jiolahy. Tsy nisy aina nafoy tamin’ny fanafihana niseho ny alin’ny talata teo io. Tsy hita ny nandosiran’ireo mpandroba taorian’ny asa ratsy nataony. Miroso amin’ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Miantso ny fanjakana hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana kosa ny vahoaka.
Tsiferana R.




