Tambajotra RIA-Jirama : Mihena ny haavon’ny riandrano ao Andekaleka sy Mandraka

Tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo, vokatry ny fihenan’ny haavon’ny riandrano any amin’ny tohodranon’Andekaleka sy Mandraka. Vahaolana ny hampiasana ny milina mpamokatra mandeha amin’ny solika.

Nitondra fanazavana ny talen’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, momba ny tsy fahampian’ny herinaratra amin’izao fotoana izao. Tsara kokoa ny zava-misy, ankehitriny, raha oharina ny tamin’ny taona 2025. Na izany aza, mihena ny haavon’ny rano any amin’ny tohodranon’Ande­kale­ka sy Mandraka, satria tapitra ny vanim-potoana firotsahan’ny orana. Tsy maharaka intsony, noho izany, ny tanjaka vokarin’ireo toby mamokatra herinaratra ireo. Tsy maintsy tantanina ny famokarana satria amin’ny tapaky ny novambra vao andrandraina hirotsaka ny orana. Etsy ankilany, miovaova ny tanjaky ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro, fa tsy 50 MW intsony. Antony, mihena ny vokatra azo raha vao sendra tandrify rahona amin’izao ririnina izao. Raha aravona, tsy ampy 29 MW ny vokatra herinaratry ny Jirama ato amin’ ny tambajotra RIA Antanana­rivo.
Manoloana ireo, tsy main­tsy tsitsiana, izany hoe, angonina ny rano mampihodina ny milina any amin’ireo tohodrano, amin’ny atoandro, mba hahafahana miatrika ny famatsiana amin’ny hariva izay tena be mpampiasa herinjiro, amin’ ny 6 ora hatramin’ny 9 ora sy sasany alina.

18 MW fanampiny
Ankoatra izany, nambaran’ny talen’ny RIA, fa ampiasaina daholo ny milina mamokatra herinjiro, mandeha amin’ ny solika. Misy ny fotoana tsy mahatomombana azy ara-teknika, mahatonga ny fanapahana ny famatsiana herinaratra, vokatry ny fanamboarana sy fijojakojana azy ireny.
Efa hiasa atsy ho atsy ny vondrona Tac3 eny Ambohi­ma­nambola, manana tanjaka 18 MW, hanampy ny vokatra herinaratra ato anatin’ny tambajotra RIA.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: