Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 22 novambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny Salon international des acteurs économiques (SIAE). Hetsika lehibe natokana hampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena eto Madagasikara. Kendrena ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra ho an’ny famokarana, manodina akora, mitondra vahaolana ary mamokatra asa ho an’ny Malagasy. Ambohipihaonan’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena, ny fanjakana, ny indostria, ny mpampiasa vola ny hetsika. Eo koa ireo mpikaroka, mpandraharaha ary ireo tanora, noho izy, mifantoka amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ankilany, handrafitra ny fandaharam-potoana mandritra ny efatr’andro ny dinika fifanakalozan-kevitra, fiofanana sy fandaharanasa hanomanana ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Hisy ihany koa ny fihaonan’ireo mpandraharaha amin’ireo mpamatsy vola sy ny fampahafantarana ny vokatry ny fikarohana. Ankoatra izay, hasongadina mandritra ny SIAE 2026 ny vokatra sy ny tolotra omen’ny indostria eto an-toerana.
Marihina fa miara-mikarakara ny hetsika ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, tohanan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena samihafa.
Henintsoa




