Naneho ny vina sy ny paikady momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana mineraly i Madagasikara, nandritra ny fivoriana momba ireo mineraly tena ilaina amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa maneran-tany, tany New York. “Tanjona ny hampitombo ny sandan’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny fanodinana azy eto an-toerana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Raharimanjato Ny Riana. Nambarany fa ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny hanangana sy hanohana ny orinasa mpanodim-bokatra mba hamoronana asa mendrika ho an’ny tanora. Manana vokatra miisa 259 azo trandrahina, hoy izy, i Madagasikara. Ahitana tetikasa fampiasam-bola miisa 124, mitentina 1,82 miliara dolara izany ary afaka hamoronana asa manodidina ny 20 000.
Politikam-panjakana
Laharam-pahamehana ny hanatsara ny rafitra indostrialy sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Mifanaraka amin’izany ny fepetra hamerenana ny fahazoan-dalana hitrandraka, hanamafisana ny fahatokisan’ny mpampiasa vola. Nasongadina nandritra ny fivoriana ihany koa ny fiaraha-miasantsika amin’ny Onudi, ao anatin’ny fandaharanasa PCP Onudi Madagascar 2026-2030. Kendrena ny hampiditra ny teknolojia vaovao sy hampahafantatra ireo tetikasa indostrialy amin’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena. “Miantso ireo mpiantsehatra iraisam-pirenena sy ireo mpampiasa vola i Madagasikara hiara-kiasa aminy. Tsy amin’ny fitrandrahana ihany fa amin’ny fananganana orinasa mpanodina izany mba handraisan’i Madagasikara anjara mavitrika amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa maneran-tany”, hoy hatrany ny minisitra.
Henintsoa




