VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ny harenina ny ampahan-dalana eo amin’ny PK48- PK68 amin’ny RN2. Ankoatra ny fanamboarana ny arabe, hatsaraina sady hamafisina koa ny sisin-dalana sy ny tatatra. Eo am-pamaranana ny fikikisana ny soson-dalana efa simba, ankehitriny. Hanom­boka ny fametrahana sosona fototra sy ny fandrarahana godirao. Manatanteraka ny asa ny orinasa CGC.

Tontosaina eto Antananarivo, ny 15-17 jolay izao, ny dinika nasionaly momba ny asa maitso ho an’ny tanora. Tanjona ny hamolavolana paikady hampiroboroboana ny asa maitso amin’ireo sehatra ahitana vokatsoa misongadina. Mandray anjara amin’izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny Firenena mi­kambana momba ny tontolo iainana (PNUE), ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), ny Uni­cef, miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny se­hatra tsy miankina.

Mitantana ny Faritra arovana (AP) Toroto­rofotsy ny fikambanana Mitsinjo, any Andasibe. Ao anatin’ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena ny AP Torotorofotsy, sady ao anatin’ny Site Ramsar, amin’ ny maha ala mando azy. Mitantana ny AP any Manja­katompo-Ankaratra, any Ambatolampy, kosa ny fikambanana Natiora. Nomen’ny minisitera Medd azy ireo tamin’ny fomba ofisialy ny 14 jolay teo, ny taratasy mirakitra izany famindram-pitantanana izany.

Partager sur: