Voalaza fa tsy salama saina : Lehilahy iray hita faty, may, tetsy Tsimbazaza

Hita faty, may tao anaty kirihitra bararata etsy Tsimbazaza, ny lehilahy iray tokony ho 40 taona. May ny vatany sy ny masony. Olona tsy dia salama saina loatra sady mpirenireny eny Anosy sy ny manodidina izy io, raha ny fanazavana voaray.

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita faty, may, tetsy akaikin’ny vavahadin’ny Parc Tsimbazaza, omaly maraina tokony ho tamin’ny
8 ora tany ho any. Hita tao anaty kirihitra bararata ny vatana mangatsiakany. Olona nandeha maraina no nahatsikaritra izany ka nampandre ny manampahefana. May ny vatany sy ny faritry ny masony ary nahitana afo teo akaikiny. Hita nihohoka teo amin’ny afo izy ka antony nahamay sy tsy nampisy ny masony roa intsony, raha ny fizahana nataon’ny manampahefana ny razana. Taorian’ny fizahana, naterin’ ny avy amin’ny BMH eny amin’ ny tranom-patin’ny HJRA Am­pefiloha ny razana. Hatramin’ ny nanoratana omaly, tsy mbola tonga teny amin’ny tranom-paty ny fianakaviany. Olona tsy dia salama saina loatra sady mpirenireny eny Anosy sy ny manodidina eny io olona hita faty io, raha ny fanazavana voaray. Nahatsi­karitra olona tsy salama saina, nefa manana toe-batana ta­haka azy io ihany koa ny mponina eny amin’ny manodidina an’i Tsimbazaza, raha nanontaniana. Matetika mivezivezy eny Tsimbazaza sy ny manodidina ity olona lazain’izy ireo ity isaky ny hariva. Misy ny mahita azy mamindro amin’ny afo rehefa hariva ny andro.

Maty an-drano

Ankoatra izay, lehilahy iray tokony ho 25 taona, maty an-drano tetsy Ampitatafika An­tanimenabe, omaly tamin’ny 1 ora sy 10 minitra maraina. Nitsoraka tao anaty rano am­badiky ny orinasa Mateza Tole, io lehilahy io taorian’ny fije­rena baolina. Tsy fantatra ma­zava ny antony nahatonga azy nitsoraka tao fa efa faty natsingevan’ny rano no hitan’ny olona teny an-toerana. Nam­piakatra ny razana ho an-ta­nety ny fokonolona sy ny ma­nodidina. Nampan­drene­sina mahakasika ny zava-nitranga ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampita­ta­fika. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana izy ireo. Nandeha nijery baolina kitra teny Antani­me­nabe Ampita­tafika ilay lehi­lahy. Hitan’ny olona nisotro zava-pisotro mahamamo ary efa tsikaritry ny olona fa efa mamo tampona nefa tsy nisy namana niaraka. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana. Fantatra fa lehilahy monina eny Ampitatafika Ambony ity namoy ny ainy ity. Matetika mijery baolina kitra eny Antanimenabe ny tenany nandritra ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2026 ity.

Mino

Partager sur: