Tsy hita intsony eo amin’ny tsena ny 80% ny orinasa na ny mpandraharaha aorian’ny roa taona niforonany. Mbola afaka mivelatra kosa ny 20 % ambiny. Napetraka ny vovonana www.madagascar-sae.com hanomezana tantsoroka ny fandraharahana.
Manana talenta sy manana finiavana handraharaha ny tanora. Mananosarotra nefa ny fahitana fandaharanasa na tetikasa afaka manohana azy ireo raha mba te hampiroborobo ny tetikasany. Sarotra ny ahitany famatsiam-bola. Matetika tsy ampy ny fampiofanana atolotr’ireo rafitra tantsoroka ho an’ny fandraharahana (SAE). « Hamahàna ireo sakana samihafa atrehin’ny tanora ireo no antony namolavolan’ny Madagasikara SAE ny tranokalam-pifandraisana, www.madagascar-sae.com, hanamora ny fahitan’ireo tanora tantsoroka », hoy ny filohan’ny Madagasikara SAE, Randriamaromanana Tandrify, nandritra ny fampahafantarana ity tranokala ity, omaly, tetsy Antaninarenina. Hita sy tsapa fa maro ny tetikasa sy tolotra mety hanampy sy hanosika ny fandraharahana eto Madagasikara, saingy mila avondrona sy tohanana izany. « Mipetraka ho tetezana eo amin’ny mpandraharaha sy mpanohana miaraka amin’ireo tolotra ilaina, araka izany, ity tranonkala ity », hoy ity tanora mpandraharaha ity.
Rafitra
Mifandray amin’ny rafitra efa misy ireo tolotra isan-karazany omen’ny mpanome tantsoroka ho an’ny mpandraharaha. Maro ny tolotra, miainga any amin’ny famolavolana hatrany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa (sensibilisateur, formateur, incubateur, accélérateur). Raha mahomby ny tetikasa, miroso ka tonga orinasa ny hevitra novolavolaina tany am-boalohany, tafiditra eo amin’ny tsena, dia mbola misy hatrany ny tolotra mifandraika amin’izay ilaina.
Ankilany, hita ao anatin’ilay tranokala ihany koa ny fandaharanasan’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa (programmes d’incubation, programmes d’accélération) izay ahitana famatsiam-bola matetika. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana izay miparitaka manerana ny Nosy.
Ao no hahafahan’ny tompona tetikasa mifandray amin’ny rafitra ara-panjakana na rafitra tsy miankina, nasionaly sy iraisam-pirenena, hampahomby ny tetikasa volavolainy.
Henintsoa




