Niorina ny taona 2016 ny fikambanam-behivavy ho an’ny kolontsaina sy ny fampandrosoana (AFCD). Tanjony ny hitandroana ny kolontsaina sy ny tontolo iainana, mba ho fanoitra mitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eny amin’ny vondrom-piarahamonina. Nanomboka ny taona 2024, anisan’ny tena nifantohan’ny fikambanana ny fanampiana ny vehivavy any ambanivohitra hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, izay tena marefo manoloana izany. Nisy ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana AFCD, ny alarobia 15 jolay teo, niarahana tamin’ny mpanao gazety, nifampizarana vaovao manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Nahitana ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE) sy ny fikambanana Remapsen izany, notohanan’ny Unesco.
Nohazavain-dRakotomavo Zo Andrianina, tale, tomponandraikitra ao amin’ny Sampandraharahan’ny famantarana ny toetr’andro, fa anisan’ny manamarika ny fiovan’ny toetr’andro, ankehitriny, ny fiakaran’ny hafanana any amin’ny fari-dranomasina Pasifika, antsoina hoe « El Nino ». Miantraika maneran-tany io fiakaran’ny maripana io, fa tena misongadina amin’izao taona 2026 izao, raha ny taona 1997, 1982, 2015, no tena tsapa taty Madagasikara.
Hitohy ny fiaraha-miasan’ny AFCD sy ny AJE amin’ny lafiny fampahalalam-baovao, satria ady iombonana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Njaka A.




