Nitondra zava-baovao eo amin’ny tontolon’ny fifanakalozam-bola niomerika ny Airtel Money Madagasikara sy ny Baobab Banky. Vita sonia, omaly, ny fiaraha-miasa ahafahan’ny mpanjifan’ny roa tonta mifanakalo vola, mandefa na misintona vola. Mora ampiasaina, tsy mila fivezivezena, haingana, tsy mifidy fotoana, ora na andro, fa azo atao foana. Amin’ny alalan’ny finday no hanatanterahana izany. Tanjona ny hampiroborobo, ho an’ny rehetra, ny fampiasana ny teknolojia ara-bola niomerika, izay efa tena mivoatra tokoa eto Madagasikara.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Money Madagasikara, Andrianalisoa Heritiana, omaly, fa mamaha ny olana tsy fahazoan’ny mpanjifa miditra amin’ny sehatra ara-bola ity fiaraha-miasa ity. Vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika ho an’ny rehetra, indrindra ireo any amin’ny saro-dalana sy lavi-toerana, izay iaraha-mahalala fa tsy ampy ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, ohatra. Eo koa ny tsy fandriampahalemana manoloana ny fitazonana lelavola, sns.
Tolotra sahaza ny tsirairay
Nilaza ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny Baobab Banky Madagasikara, Emmanuel Signou, fa « tsy azo atao ambanin-javatra ny lafiny fitokisana sy ny fahalemana. Mendrika hisitraka ny fikirakirana ara-bola niomerika ny Malagasy tsy ankanavaka. Vahaolana sahaza azy ireo ny fanomezana tolotra sahaza, tsotra, sady azo antoka. Mila omena tolotra misandrahaka mifanandrify amin’ny filany izy ireo, amin’izany ».
Njaka A .




