Hasarotam-piaro: Mpamily iray nokasaina halaina an-keriny

Lehilahy iray mpamily fiara karetsaka no niharan’ny vono sy nokasaina halaina an-keriny tetsy Ambohimanambola, ny atoandron’ny alarobia tamin’ny 2 ora tany ho any. Nosa­ka­nan’ny lehilahy miisa roa teny Ambohimanambola izy. Nilaza ho aterina eny amin’ny Batou-beach izy ireo. Noken­dain’izy roa lahy ireto anefa ilay mpamily rehefa tonga teny amin’ny toerana tsy dia be olona. Nanambana tamin’
ny antsy kosa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nahatsindry ny alarme antivol anefa ilay mpamily tamin’izany ka lasa nitsoaka izy roa lahy. Naheno izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nirohotra nanenjika ireo olon-dratsy. Vokany, voasambotry ny fokonolona ireo roa lahy nahavanon-doza ka rapan’ny vono sy ny daroka. Tonga teny an-toerana ihany koa ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola vantany vao nahazo antso. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy ireo fa voairaky ny lehilahy iray hafa, mba haka an-keriny io mpamily io, izy ireo. Voalaza fa nanadala ny vadin’ilay mpaniraka io saofera io ka anton’ny fikasan-dratsiny. Nosamborina sy nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy. Efa voasambotra ihany koa ilay lehilahy atidoha nikotrika izao asa ratsy izao.

Mino

Partager sur: