Hita omaly maraina ny ankizilahy roa, 12 sy 9 taona, nanaovana ombay mitady ny 16 jolay teo. Nandeha namonjy alim-pandihizana fanaovana didim-poitra teny Ampasika izy ireo, ny alin’ny 16 jolay tamin’ ny 9 ora alina. Tsy nahalala nody raha tsy maraina ny andro. Nandainga ho nisy nangalatra izy ireo, saingy nilaza ny marina rehefa nanontaniana. Salama tsara ara-batana sy ara-tsaina izy roa lahy kely ireo. Tsy nisotro zava-pisotro mahamamo, tsy nahitana ratra saingy hita fa tsy ampy torimaso.
Nodimandry, omaly, ny Dr Rakotomahazo Robinson Désiré, Chef CHRD Antanifotsy, sy chef CSB tao Ambodiriana ary DRS Vakinankaratra teo aloha. Ahiahin’ny fianakaviana ho nisy namono ny antony nahafaty azy. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny hanokafan’ny manampahefana fanadihadiana mahakasika izany izy ireo.
Raim-pianakaviana iray 42 taona maty kilan’ny afo teo am-pandriany, omaly alina. Niseho tany amin’ny fokontany Ambohifirariantsoa, kaominina Ankarinarivo Manirisoa, distrikan’Isandra, ny loza. Tonga nanao ny fanadihadiana ny zandary miasa ao amin’ny Tobin-janam-paritra Nasandratrony. Tsy nahitana ratra hafa ankoatra ny fahamaizana ny vatany. Tsy may ny lay aromoka teo am-pandriany, tsy may ihany koa ny trano tafo bozaka nisy azy.
Vehivavy iray nosamborina sy nentin’ny polisy avy ao Ilanivato, teny Ampangabe, omaly. Voalazan’ny fokonolona fa tratra nangala-jaza izy io. Nambaran’ny fianakaviany sy ny olona akaiky azy anefa fa olona tsy salama saina ity farany.




