Nanao fitiliana maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra avo (HTA) ho an’ny daholobe monina ao amin’ny fokontany manodidina ny ivontoeram-pitsaboana, eny Andranomena, ny ESIA, mpitsabo misahana ny fahasalaman’ny mpiasa. Ny diabeta sy ny fiakaran’ny tosidra no anisan’ny aretina mitaiza izay matetika tsy ahitana soritraretina mialoha nefa mety hiteraka fahasarotana lehibe raha tsy voamarina sy tsaboina ara-potoana. “Tanjona ny hahafahan’ny olona mahalala ny toe-pahasalamany, mahazo torohevitra avy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ary hahazo tari-dalana momba ny fitsaboana sahaza azy raha ilaina”, hoy ny ny tomponandraikitra voalohany, ny Dr Rabetsoa Eddy, omaly.
Fanehoana fankasitrahana ny fiarahamonina izay niaraka tamin’izy ireo nandritra ny 20 taona niasany koa ny hetsika. Sady fanatsarana ny fiainan’ny mponina izany no hampiroboroboana ny kolontsain’ny fisorohana ny aretina ho an’ireo mponina eo Andranomena sy ny manodidina.
400 ny orinasa mpikambana ao amin’ny ESIA ary efa nisy ny hetsika fanatonana vahoaka toy izao teny Antsahabe. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny ESIA, miaraka amin’ireo orinasa mpiara-miasa sy mpanohana ny fitiliana maimaimpoana atao. Rehefa miray hina ny sehatra tsy miankina sy ny sehatry ny fahasalamana, afaka mitondra vokatra tsara sy maharitra ho an’ny vahoaka.
Vonjy




