Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny gazety malagasy (Gama) voalohany teto Madagasikara. Nahalalan’ny olona izany voalohany, ny Teny soa Analanandro. Mbola hisy ny ivon’ny fankalazana ary hofaranana amin’ny fananganana tranobe iombonana, izay tsangambato ho an’ ny asa fanaovan-gazety izany. Tsy hiankina amin’ny fanjakana fa hambom-pon’ny mpanao gazety tsirairay avy. “Tanjona ny hifampizarana traikefa sy hanamafisana ny firaisankina ary hanaovana fiofanana sy ny maro samihafa izay ilàna ny trano ho an’ny mpanao gazety rehetra”, hoy ny minisitry ny Serasera, Ogascar Fenosoa, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Ankoatra izay, “miatrika fanamby lehibe ny asa fanaovan-gazety, indrindra ny fanaovan-gazety an-tsoratra amin’izao fotoana izao, noho ny fivoaran’ny teknolojia niomerika sy ny fiparitahan’ny tambajotra sosialy», hoy ny mpanao gazety zokiolona, James Ramarosaona, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Manoloana izany, manainga ny mpanao gazety izy mba hampitombo ny fahaizany amin’ny karazam-pahalalana maro samihafa hampivoarana ny asa fanaovan-gazety. «Manoloana izany, tokony ho vaovao marina sy voamarina ary marolafy no asehon’ny mpanao gazety fa tsy mitovy amin’ny mpikirakira tambajotran-tserasera», hoy ihany ny minisitry ny Serasera. Ilaina ny firaisankina sy ny fanajana ny etika sy ny deontolojia mba hampisehoana fa mpanao gazety matihanina ny mpanao gazety. Antenaina mandritra izao fankalazana izao ny hamelomana indray ny fitiavan’ny Malagasy mamaky gazety an-tsoratra. « Famerenan-kasina ny asa fanaovan-gazety sy fameloma-maso ny hasim-piandrianam-pirenena”, io ny lohahevitra nentina nanamarihina ny fankalazana. Niarahan’ny mpanao gazety zokiolona sy ny CTOJM nikarakara moa ny hetsika.
Mino




